Matthew 13

1Tamin’izany andro izany Jesosy nandeha nivoaka ny trano ary nipetraka teo amoron’ny ranomasina. 2Nisy vahoaka maro niangona nanodidina Azy, ka dia niditra tao an-tsambokely Izy ary nipetraka tao amin’izany, raha nitsangana teo amoron-dranomasina kosa ny vahoaka rehetra.

3Avy eo Jesosy nilaza zavatra maro tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanoharana. Hoy Izy hoe: “Indro, nisy mpamboly iray nandeha nivoaka hamafy voa. 4Raha izy namafy iny, dia nisy voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ary tamy ireo vorona ka nandrapaka ireo. 5Ireo voa hafa indray dia latsaka teny amin’ny tany be vato, izay tsy nahazoan’ireo nofon-tany tsara. Avy hatrany dia naniry ireo, satria tsy lalina ny tany. 6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia maina ireo satria tsy nisy fakany, ary dia nalazo.

7Nilatsaka teo amin’ny tsilo ireo voa hafa. Naniry ireo tsilo ary nangenja azy ireo. 8Ireo voa hafa nilatsaka tamin’ny tany tsara ary namoa voany, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo. 9Izay manan-tsofina, aoka izy hiaino.”

10Tamy ireo mpianatra ary niteny an’i Jesosy hoe: “Nahoana Ianao no miresaka amin’ireo vahoaka amin’ny alalan’ny fanoharana?” 11Namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: “Ianareo no nomena tombony hahafantatra ireo zava-miafin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ho azy ireo dia tsy nomena izany. 12Satria na iza na iza manana, dia ho be kokoa aza no homena. Fa na iza na iza kosa tsy manana, na izay hananany aza ho esorina aminy.

13Izany no antony hiresahako amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoharana: Na dia mijery aza izy ireo, dia tsy mahita; ary na dia mihaino aza izy ireo, dia tsy mandre, na mahazo. 14Amin’izy ireo ny faminanian’Isaia no tanteraka, izay milaza hoe: ‘Rehefa mihaino dia handre ianareo, saingy tsy hahazo mihitsy; rehefa mijery dia hahita ianareo, saingy tsy hahatakatra.

15Fa lasa donto ny fon’ity vahoaka ity, ary mafy sofina izy ireo, ary nakipin’izy ireo ny masony, mba tsy hahita amin’ny mason’izy ireo, na handre amin’ny sofin’izy ireo, na hahazo amin’ny fon’izy ireo, ka hibebaka indray izy ireo, ary hanasitrana azy ireo Aho.’

16Fa sambatra ny masonareo, satria mahita; ary ny sofinareo, satria mandre. 17Lazaiko marina aminareo fa mpaminany sy olo-marina maro no naniry ny hahita ireo zavatra izay hitanareo, kanefa tsy nahita an’ireo. Naniry ny handre ireo zavatra izay renareo izy ireo, kanefa tsy nandre an’ireo.

18Koa mihainoa ary ny fanoharana ny amin’ny mpamboly iray izay namafy ny voany. 19Rehefa misy mandre ny tenin’ny fanjakana kanefa tsy mahazo izany, dia tonga ilay ratsy ary manongotra izay nafafy tao am-pony. Io ilay voa nafafy teny amoron-dalana.

20Ilay nafafy teny amin’ny tany be vato dia ny olona izay mandre ny teny ary avy hatrany dia mandray azy am-pifaliana, 21saingy tsy mbola miorim-paka ao anatiny izy ary dia maharitra vetivety ihany. Rehefa tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon’ny amin’ny teny, dia malaky tafintohina izy.

22Ilay nafafy teny amin’ny tsilo, io dia ny olona izay mandre ny teny, saingy ny fiahiahian’izao tontolo izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny, ary dia lasa tsy mamoa izy. 23Ilay nafafy teo amin’ny tany tsara, io no olona izay mandre ny teny ary mahazo izany. Mamoa voankazo izy ary mahatonga ny voa iray, hanome avo zato heny mihoatra izay nambolena, ny sasany enim-polo, ny sasany avo telo-polo heny.”

24Naneho fanoharana iray hafa tamin’izy ireo Jesosy. Hoy Izy hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia toy ny lehilahy iray izay namafy voa tsara tao amin’ny sahany. 25Fa raha natory iny ny olona, dia tonga ny fahavalony ary namafy voan-tsimparifary ihany koa tao amin’ireo vary ary nandeha. 26Rehefa nitsiry ireo vary ary avy eo namokatra ireo voany, dia nipoitra ihany koa ireo voan-tsimparifary.

27Tonga ireo mpanompon’ny tompon-tany ary niteny taminy hoe: ‘Tompoko, tsy namafy voa tsara tao amin’ny sahanao va ianao? Nahoana izy ankehitriny no misy voan-tsimparifary?’ 28Hoy izy tamin’izy ireo hoe: ‘Nisy fahavalo nanao izany.’ Hoy ireo mpanompo taminy hoe: ‘Koa tianao va ny handehananay manongotra azy ireo?’

29Ilay tompon-tany niteny hoe: ‘Tsia. Satria raha manongotra ireo tsimparifary ianareo, dia mety hanongotra ny fakan’ireo vary miaraka amin’ireo koa. 30Avelao hiara-haniry izy roa hatramin’ny fijinjana. Amin’ny fotoam-pijinjana dia hiteny amin’ny mpijinja aho hoe: “Esory aloha ireo ahi-dratsy ary fehezo ho fatorana maromaro mba handorana azy ireo, fa angony ao amin’ny fitoeram-bokatro kosa ireo vary.“’”

31Avy eo Jesosy naneho fanoharana iray hafa tamin’izy ireo. Hoy Izy hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia toy ny voatsinampy izay nalain’ny lehilahy iray ary nafafiny teo amin’ny sahany. 32Io voa io tokoa no voa kely indrindra amin’ny voa hafa rehetra. Fa rehefa naniry izany, dia lehibe noho ireo zava-maniry ao amin’ny saha. Lasa hazo izany, mba hiavian’ireo voron’ny habakabaka ary hanao ny tranon’izy ireo eo amin’ireo rantsany.”

33Avy eo Jesosy nilaza fanoharana iray hafa. “Ny fanjakan’ny lanitra dia toy ny lalivay izay nalain’ny vehivavy iray ary nafangarony tamina lafarinina intelo famarana mandra-piakatry ny foto-koba manontolo.”

34Fanoharana no nanambaran’i Jesosy ireo zava-drehetra ireo tamin’ny vahoaka; ary tsy nilaza na inona na inona tamin’izy ireo afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy. 35Izany dia mba hahatanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany, rehefa niteny Izy hoe: “Izaho hiloa-bava amin’ny alalan’ny fanoharana. Hilaza zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho.”

36Avy eo Jesosy nandao ireo vahoaka ary nankao an-trano. Nankeo aminy ireo mpianany ary niteny hoe: “Azavao aminay ny fanoharana momba ilay tsimparifarin’ny saha.” 37Namaly Jesosy ary niteny hoe: “Ilay mamafy voa tsara dia ny Zanak’Olona. 38Ny saha dia izao tontolo izao; ary ny voa tsara, ireo no zanaky ny fanjakana. Ny tsimparifary dia ireo zanak’ilay ratsy, 39ary ny fahavalo izay namafy azy ireo dia ny devoly. Ny fijinjana dia ny fiafaran’izao tontolo izao, ary ny mpijinja dia ireo anjely.

40Noho izany, tahaka ny anangonana sy andorana ireo tsimparifary amin’ny afo, no atao koa amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. 41Haniraka ireo anjeliny ny Zanak’Olona, ary ho angonin’izy ireo hiala amin’ny fanjakany ireo zavatra rehetra izay mahatonga fahotana, sy ireo izay manao ratsy. 42Ho atsipin’izy ireo ao amin’ny lafaoro lehibe mirehitra afo izy ireo, izay hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 43Avy eo hamiratra toy ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rain’izy ireo ny olo-marina. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.

44Ny fanjakan’ny lanitra dia toy ny harena izay miafina ao amin’ny saha iray. Nisy lehilahy nahita izany ary nafeniny. Nandeha tamin’ny hafaliany izy, nivarotra izay rehetra nananany, ary nividy io saha io. 45Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia toy ny lehiahy izay mpivarotra mitady voahangy lafo vidy. 46Rehefa nahita voahangy iray izay tena lafo vidy izy, dia nandeha ka nivarotra izay rehetra nananany ka nividy izany.

47Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia toy ny harato izay natsipy tany an-dranomasina, ary nanangona ireo karazan-java-manan’aina rehetra. 48Rehefa feno izany, dia nosintonin’ireo mpanarato ho eo amoron-dranomasina. Avy eo izy ireo nipetraka ka nanangona ireo zavatra tsara ho ao amin’ny fitoerany, fa ireo zavatra tsy ilaina kosa narian’izy ireo.

49Ho toy izany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. Ho avy ireo anjely ary hanasaraka ireo ratsy fanahy amin’ireo marina. 50Ho atsipin’izy ireo ao amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy ireo, izay hisy ny fitomaniana sy fikitroha-nify.

51Azonareo ve izany zavatra rehetra izany?” Hoy ireo mpianany taminy hoe: “Eny.” 52Avy eo Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Noho izany ny mpanora-dalana rehetra izay lasa mpianatra eo amin’ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, izay mamoaka ireo zavatra tranainy sy ireo zavatra vaovao avy ao amin’ny hareny.” 53Avy eo rehefa nahavita ireo fanoharana ireo Jesosy, dia niala tamin’izany toerana izany Izy.

54Avy eo Jesosy niditra tao amin’ny taniny manokana ary nampianatra ireo vahoaka tao amin’ny synagogan’izy ireo. Vokatr’izany dia talanjona izy ireo ary niteny hoe: “Avy aiza no ahazoan’ity lehilahy ity ny fahendreny sy ireo fahagagana ireo? 55Tsy io lehilahy io va no zanak’ilay mpandrafitra? Tsy Maria va no hiantsoana ny reniny? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy va no rahalahiny? 56Tsy miaraka amintsika va ireo anabaviny rehetra? Avy aiza no nahazoany ireo zavatra rehetra ireo?”

57Tohina nohon’ny aminy izy ireo. Fa hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Tsy misy mpaminany tsy misy hajany raha tsy ao amin’ny fireneny sy ao amin’ny fianakaviany ihany.” Tsy dia nanao fahagagana be tao Izy nohon’ny tsy finoan’izy ireo.

58

Copyright information for PltULB